Ratchaburi FC

Miverina amin’ny heriny i Amada, mampanahy ny fahasalaman’i Njiva


  • Talata 09 Aprily 2024

Lalao miisa 3 nifanesy izay no isan’ireo 11 voalohany najoron’ny mpanazatra hatrany ny irakiraka

afovoany mpiaro malagasy, Ibrahim Amada, izay milalao ao amin’ny Ratchaburi FC, divizionina voalohany ao Thailand eo amin’ny taranja baolina kitra. Azo lazaina ho miverina amin’ny heriny i Amada ary namiratra nandritry ny fihaonan’ny Chonburi FC sy ity ekipany ny alahady teo. Nandresy an-jaridainan’olona tamin’ny isa 0 noho 1 moa ny RFC, baolina matin’ilay brezilianina, Mateus Lima Cruz, teo amin’ny minitra faha 10. Etsy ankilany dia mbola mampanahy ny fahasalaman’i Njiva Rakotoharimalala, izay lohalaharana malagasy nampidi-baolina betsaka indrindra tamin’ity Thai-league ity nialohan’ny ratra nahazo azy 2 volana lasa teo izay. Asa na hanao ahoana izy mirahalahy ireto amin’ny volana jona. Hanaiky ho antsoina ve sa tsia? Mety mbola ho voaantso amin’ny ekipam-pirenena malagasy na Barea ko ave nefa sa tsia, indrindra, ity Njiva avy naratra ity? Heverina fa voatery tsy maintsy mijery paikady faharoa rahateo ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe manoloana izao hotakotaka eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra izao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT