Sport

Raoul Rabekoto Filohan’ny FMF Nirary soa ny Barea, niantso fiombonana


  • Talata 17 Novambra 2020

Nanao fanambarana an-taratasy ny Filohan’ny Federasionina Malagasy momba ny Baolina kitra (FMF) Atoa Raoul Romain Arizaka Rabekoto omaly.

 

 

 

Marihina, fa enjehin’ny Fanjakana Ankehitriny ny tenany noho ny raharaha Fitantanana ny CNaPS, ka nitsoaka any ivelany. Tamin’ny anarany amin’ny maha Filohan’ny FMF anefa ny taratasy nivoaka omaly, izay niarahaba ny vahoaka Malagasy, indrindra fa ny mpitia fanatanjahantena. Nambarany fa tonga amina kihon-dàlana lehibe indray ny kitra Malagasy dia ny dingana ahafahana mandray anjara fanindroany amin’ny CAN 2022. Kihon-dàlana lehibe ny lalao anio, ary ahafahana manana toky sahady ny fandresentsika iriantsika, izay fandresen’ny Malagasy, raha ny nambaran-dRaoul. Samy manao ny ainy tsy ho zavatra ny rehetra, ka eo ny mpilalao izay isaorana sahady tamin’ireo lalao telo vita. Isaorana daholo ny rehetra samy nandray izay tandrify azy, araka ny toerana misy azy, eny fa hatramin’ireo nivavaka mangina any amin’ny toerana tsy misy mahalala mba ho ankasitrahan’Andriamanitra ny fandresentsika, hoy ity Filohan’ny FMF ity. Eo ihany koa ireo tsy mitandro vola aman-karena, nizaka ny tsy eran’ny aina tamin’ny famatsiana sy ny fampitaovana,… mba ahafahan’ny mpilalao mifantoka. Nambarany fa mahavelom-panantenana ny fiaraha-mientan’ny Malagasy, ary mampientana ny fo ny fifankatiavana izay tena arahin’asa. Niantso fanamafisana ny firaisam-po sy hampitsahatra ny mety ho fampizarazarana i Raoul Arizaka Rabekoto, ka tsy hibanjina afatsy ny ho avin’ny tanora sy ny taranaka fara aman-dimby. Tsy maintsy ho tafita ny Barea, ary hihavana sy hifankatia hatrany ny Malagasy, hoy ny Filohan’ny FMF.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT