Sport

Raoul – Filohan’ny FMF “Ny tantara no hitsara…”


  • Talata 31 Aogositra 2021

“Mahay sy mahalala ny asany daholo ny mpiara-miasa eo anivon’ny FMF. Ny fitiavana no mibaiko miaraka amin’ny feon’ny fieritreretana ka sarotro ny hino fa misakana ny fandrosoan’ny baolina kitra Malagasy izy ireo.

 Ankoatra ny maha asa azy, dia fitiavana sy fahafoizan-tena lehibe no manenika ny tontolon’ny asa ao. Mahereza ry mpiara-miasa, ny tantara no hitsara”, io no hafatra avy amin’ny Federasionina Malagasy misahana ny taranja baolina kitra tamin’ny alalan’ny Filohan’ny FMF Atoa Arizaka Rabekoto Raoul omaly takariva teo anatrehan’ny resabe omaly tontolo andro. Nisy ilay fandrahonana sy vava be nataon’ny Filoham-pirenena satria nosokajian’ity farany ho mpisompatra sy mpigafy ny FMF. Isan’ny voatonontonona teny amin’ny tambajotran-tserasera ny Sekretera Jeneralin’ny FMF, ary mazava ho azy fa isan’ny tsy levon’ny vavonin’ny Fitondrana hatramin’izay ny Filohan’ny FMF. Efa niaraha-nahalala rahateo ny tsy fifankahazoana teo amin’ny Filohan’ny FMF eo aloha Atoa Arizaka Rabekoto Raul izay naharesy ny kandida mpomba ny fitondrana tamin’ny fifidianana izay Filohan’ny Federasionina. Nambaran’ny Fanjakana taorian’izay fa nanodinkodim-bola tao amin’ny CNaPS, ka nenjehina, na nahazo amboara momba ny fahaiza-mitantana ny CNaPS aza ity farany tamin’ny fotoan’androny. Nitsoaka any ivelany, ary nambara fa namoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena. Mbola misitraka tanteraka ny zo maha Filohan’ny FMF azy, ary nandritra ny fivoriamben’ny CAF andiany faha-43 natao tany Maroc ny 12 martsa 2021 lasa teo, niseho tsy tamin-tahotra. Toa miitatra hatrany kosa ny fifanenjehan’ny Fanjakana azy, izay mety hohamafisina ilay ambara fa didy fampisamborana iraisam-pirenena. Ny Filoha mihitsy no mijoro voalohany ho fahavalon’ity mpitsara ambony efa nitana andraikitra goavana teo anivon’ny CNaPS sady Filohan’ny FMF ity, raha tarafina amin’ilay fandrahonana sy kafara omaly. Tsara ho marihana fan a any ivelany aza amin’izao fotoana i Raoul Arizaka Rabekoto dia mbola filohan’ny FMF soamantsara ary araka ny filazany dia maharaka tsar any zava-misy eto Madagasikara izy ary nisy olona efa nomeny fahefana hisolo-tena azy eto Madagasikara mandra-piveriny eto.
Toky R sy J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT