Sport

Raoul Arizaka Rabekoto Nolavina ny fangatahany, mbola manankery ilay IST


  • Alarobia 12 Febroary 2020

Nolavin’ny filankevi-panjakana omaly talata, ny fangatahan’i Raoul Arizaka Rabekoto ny amin’ny hanafoanana ny tsy fahafahany mivoaka ivelan’i Madagasikara noho ilay IST navoakan’ny fitondrana.

 

 

 Tsy mbola mahazo mivoaka ny firenena izany hatreto aloha ity filohan’ny Federasiona Malagasin’ny baolina kitra (FMF) ity na dia efa namelabelatra nanoloana ny  fitsarana aza fa maro ny fivoriana sy fihaonana tokony hatrehany any ivelany eo anivon’ny CAF sy ny FIFA. Manankery hatrany aloha izany ny IST mihatra amin’i Raoul Arizaka Rabekoto noho izy mila atao fanadihadiana noho ireo ambara fa famoaham-bola goavana nitranga tao amin’ny CNaPS fony izy tale jeneraly tao. Fantatra mantsy fa misy ny fitsirihana sy fanadihadiana ataon’ny fanjakana Malagasy momba izany na dia tsy mbola nisy aza ny fampahafantarana mazava tsara ny ny zavatra mampiahiahy amin’ity filohan’ny FMF ity. Miandry ny tohin’ny fanadihadiana ny rehetra satria azo sokajiana fa anisan’íreo olona manana ny maha izy azy i Raoul Arizaka Rabekoto, izay ankoatra ny maha filohan’ny FMF sy ny naha tale jeneralin’ny CNaPS azy dia mpitsara sy manampahaizana sady mpampianatra toekarena ihany koa.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT