Sport

Raoul Arizaka Rabekoto Nandefa hafatra ho an’ny vahoaka Malagasy


  • Alatsinainy 22 Martsa 2021

Nandefa hafatra ho an’ny vahoaka Malagasy sy ny mpitia baolina kitra ny filohan’ny Federasionina Malagasy,

 

 

Raoul Arizaka Rabekoto, fa handalo dingana lehibe indray isika mandritry ny herinandro faran’ity volana martsa ity. Zava-dehibe, hoy izy, na ho an’ny mpilalao izany na ho an’ny mpitantana, indrindra, ho an’ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo izay miara-mitempo amin’ny fitiavana ny Barea. Faniriantsika rehetra ny fiampitana eo amin’ny dingan’ny famaranan’ny CAN 2021. Tsirim-panantenana lehibe amin’ny fiaraha-mientana eo amin’ny fiarahamonina amintsika samy Malagasy izany. Tsirim-panantenana lehibe ho an’ny tanora ny fientanana ho an’ny ambompom-pirenena izay hijoroany mba hanandratana an’I Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy. Hifantoka amin’ity dingana farany ity isika mianakavy. Hanao ny ainy tsy ho zavatra ny mpitantana hametraka ny tontolo haha tanteraka ny fandresena in-droa miantoana katsahintsika. Hiara-kitodika amin’Andriamanitra isika mba ho ankasitrahany izany fahombiazana izany. Hifamela amin’ny fo tokoa, raha nisy ny disadisa. Hifampitantana ary tsy hibanjina afa-tsy ny hoavin’ny taranaka. Manainga antsika rehetra ary samy hanao izay tandrify azy amin’ny fo sy am-pitiavana. Tsy hijery afa-tsy ny tombotsoam-pirenena sy ny vahoaka izay miandry. Manantena sy matoky ny mpitantana rehetra isan’ambaratonga araka ny andraikitra izay nametrahana azy, hoy hatrany ity filohan’ny FMF ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT