Sport

Ranomasimbe indianina sy CAN 2023 Madagasikara sy Kaomoro sisa no hanohy ny dia


  • Alarobia 30 Martsa 2022

Madagasikara sy Kaomoro sisa no hanohy ny dia taorian’ny voka-dalao savaranon’ando miverina nataon’ireo nosy rahavavy atsy Maorisy sy Seisely mikasika ny fifanintsanan’ny tompondakan’I Afrika

 eo amin’ny taranja baolina kitra na CAN 2023. Nanao ady sahala 3 noho 3 tamin’I Sao Tome I Maorisy raha toa ka efa resy 1 noho 0 tamin’ny lalao mandroso. Lavon’I Lesotho 3 noho 1 koa I Seisely raha toa ka nanao ady sahala 0 noho 0 tamin’ny lalao mandroso. Isika sy ny Kaomorianina, noho izany, sisa no hiatrika ny fifanintsanana isam-bondrona manomboka amin’ny volana jona. Tsiahivina moa fa eo anelanelan’ny 1 hatramin’ny 14 jona ny andro voalohany hatramin’ny faha 4 mikasika izay lalao isam-bondrona izay raha toa ka eo anelanelan’ny 19 hatramin’ny 27 septambra 2022 kosa ny andro faha 5 sy faha 6. Azo lazaina fa kely ny herijikan’ny ekipam-pirenena Malagasy na ny Barea hatreto aloha noho ny tsy fisian’ny fampivondronana hatramin’izao raha toa ka efa saika samy nanao lalao fitsapana sy ara-pirahalahiana avokoa ireo ekipam-pirenena hafa. Ekena fa tokony ho tohanana hatrany ny ekipam-pirenen’ny tena saingy raha mbola izao aloha ny adalan’ireo mpitantana isan’ambaratongany dia sarotra ny hanantena.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT