Sport

Randrianantenaina Jean Philbert (mpanazatra) “Lanin’i Barea tsara i Tonizia”


  • Alakamisy 11 Jolay 2019

Azo atao tsara ny mandresy ny Tonizia…! Firy ireo ekipa goavana ary natahorana nihaona tamin’ny Barean’i Madagasikara nandritry ny lalaon’ny CAN 2019 ity, saingy,

 

 

 lavon’izy ireo avokoa izany, hoy Randrianantenaina Jean Philbert mpanazatra ny klioba KFA.A Andranomahery avaratra. Hiditra amin’ny ampahefa-dalana ny ekipa roa tonta anio ary azo resena tsara izy ireo.

Lanin’ny Barea tsara raha i Tonizia, satria mitovitovy ny lalaon’ny roa tonta ary manatombo amin’ny halavany izy ireo.  Ny atahorana amin’ny ekipantsika fotsiny ny fanafihana ataon’i Tonizia fa mila mailo sy mailaka kosa ny mpanafika sy ny irakiraka afovoany ary milà miverina haingana, hoy ny heviny.Mahay mamono baolina ny Barea, fa mila hamafisina io. Tokony hiaro tena 20 minitra amin’ny fizaram-potoana voalohany isika ary aorian’izay, manao ny “pression” sy fanafihana sesilany. Ny amin’ny fiarovan-tena kosa dia mila mifanampy ary hamafisina ny “defense”.  Tsy tokony hiova ny firafitry ny ekipa eny ambonin’ny kianja, izay efa napetraky ny mpanazatra tamin’ny voalohany ihany. Resintsika 2-1 ny Tonizia, ho an’ity mpanazatra ny klioba ity. Ho an’atoa Ramiandrisoa Lalaina, talen’ny sekoly kosa dia resin’ny Tonizia 2 no 1 ny Barea, noho io ekipa io manana teknika sy herijika amin’ny famonoam-baolina. Ho an’i George sy Rasolo mpitia baolina, dia 2 Barea ary 0 Tonizia. Ralaude 3 Barea ary 1 Tonizia. Daddy 3 Barea ary 2 Tonizia.

 

Sitraka r.  

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT