Sport

Ramaroson Jean Michel Tsy nahatratra firotsahana ho kandidan’ny COM


  • Zoma 18 Janoary 2019

Ny alatsinainy 14 janoary teo vao tafaverina teto an-tanindrazana Atoa Ramaroson Jean Michel filohan’ny Federasion’ny Basikety Baolina Malagasy am-perinasa noho ny iraka nataony tany ivelany ka tsy nahatratra ny fe-potoana farany nametrahana antontan-taratasy firotsahan-kofidiana ho filohan’ny COM

 

 

“Comité Olympique Malagasy” vaovao izay fantatra fa ho tanterahina any Toliara indray toy ny tamin’ny farany (4 taona lasa) nifanandrinany tamin’Atoa Siteny Andrianasoloniaiko. Nanambara ity filohan’ny FMBB ity raha nametrahana fanontaniana teny Ivato fa tsy ho kandida amin’ity fifidianana filohan’ny COM 2019 ity izany izy noho io antony efa voalaza teo io. Ny filohan’ny COM am-perinasa irery ihany izany no kandida handimby toerana  azy amin’io fifidianana hatao ny 22 janoary 2019 fa izy irery no nametraka filatsahan-kofidiana, tamin’ny 11 janoary teo, ary efa fantatra avokoa ireo iray lisitra aminy amin’izany dia Ravololoniaina Elisa Vania, Ramaherison José, Andrianavomanana Solofo Baroijaona, Ambinintsoarivelo Jean Herley, Ravalison Jean Aimé, Relaha Jean Claude, Rakotondramanana Nathalia ary Randriamanarivo Jean Alex Harinelina. Atoa Rakotomalala Marcel no filohan’ny Ceni hitantana an’ity fifidianana COM any Toliara ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT