Azo ambara fa namiratra ny taranja basikety Malagasy tamin’iny taom-pilalaovana 2019 iny, hoy ny filohan’ny FMBB « Federation Malagasy de Basketball »,
Ramaroson Jean Michel, tamin’ny tafa manokana nifanaovana tamin’ny mpanao gazetin’ny Sport.mg tamin’iny faramparan’ny taona 2019 lasa teo iny. Tena mihabo ny vokatra azon’ny basikety Malagasy tamin’ny ankapobeny, hoy izy,tamin’iny taona lasa iny. 50 taona aty aorian’ny fahombiazan’ny ekipa Malagasy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia namerina indray an’izany lazan’i Madagasikara izany i Elly sy Livio ary Arnold sy Fiary raha nandrombaka ny anaram-boninahitra « Tompondakan’i Afrika » indray tany amin’ny lalao Afrikana notontosaina tany Rabat Maroc tamin’ny volana aogositra 2019 lasa teo. Tao koa ny fahombiazan’ny ekipan’ny GNBC Malagasy tany Kigali ka nahatafita azy ireo hiatrika ny Basket Afroleague 2020 ary teo dia teo koa ny nahalany ny tenako ao anatin’ny birao foiben’ny FIBA Monde izay tena nampisongadina an’i Madagasikara eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena, hoy ny fanazavany. Amin’io taona vaovao 2020 hitsidika io dia mbola betsaka ny fanamby miandry ny FMBB izay ilaina ny fanohanana mavitriky ny fitondrana Malagasy indrindra indrindra. Haveriko etoana, hoy ity filohan’ny FMBB ity, ny nolazaika tany amin’ny Fivoriamben’ny FMBB tany Antsirabe farany teo fa tsy fifaninana fotsiny ny basikety amin’ny ankapobeny fa tena tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana azy tanteraka ny serasera sy fampiofanana isan-karazany. Antony nanapariahan’ny Federasiona ny fifaninanam-pirenena tany amin’ny Faritra samihafa izany tamin’ity taona 2019 ity. Mbola taona zina ho an’ny teknisian’ny basikety Malagasy ihany koa ity taona hifarana ity, hoy izy, fa nahazo mpitsara iraisam-pirenena vaovao indray isika Malagasy ary nahatafavoaka mpitsara avo lenta eo amin’ny basket 3 x3. Ho tohizana ny ezaka efa azo teo amin’ity taranja ity izay efa hatolotry ny FIBA ho hatao anisan’ny taranja olimpika. Na izany aza tsy hatao ambanin-javatra velively ny taranja basket 5 x 5 izay fototry ny basiktety fa handray anjara amin’ny Afrobasket Men U 18 isika amin’io taona 2020 io.
Ary satria izaho ny tompon’andraikitry ny fampandrosoana ny basikety aty Afrika ao anatin’ny FIBA dia vonona hiaro ny tombontsoan’ny kaontinanta iray manontolo ao anatin’izany fa tsy ny tombontsoan’i Madagasikara irery ihany tsy akory. Nampisehoan’ny lalao iombonana Malagasy fa manana ny maha-izy azy izy tamin’ity taona 2019 ity ka fotoanany izao hanohizana an’izany fahombiazana efa azo izany. Hisaorana manokana ny fitondram-panjakana Malagasy amin’ireo tetikasa fanamboarana kianja filalaovana fanatanjahantena efa himasoany. Hiezaka hanampy ny GNBC isika rehetra amin’ny fifaninana BAL hatrehany ary mbola hangatahana ihany koa amin’io taona ho avy io ny handraisantsika ny fifanintsanan’ny Faritra Atsimon’i Afrika amin’ny fifaninanana BAL.
Raha tiana hiroborobo ny fanatanjahantena eo amintsika, hoy ity filohan’ny FMBB ity mamarana ny teniny, dia heveriko fa ny spaoro iombonana no fanoitra lehibe hoentina mampandroso ny firenena.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.