Sport

Rallye – Tour de Tana Mitohy ny adin’i Zaza maditra sy Boom


  • Alakamisy 08 Oktobra 2015

Ekipazy 34 no handray fiaingana amin’ny Rallye iray andro « Tour de Tana » sady dingana fah-5 amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara izay hatao ny sabotsy 10 oktobra izao. Tompomarika amin’ny fikarakarana ity Rallye ity ny klioba Asa Tana. Sedra manokana dimy mirefy 74,79km no voalahatra hifaninanana amin’io ary tafakatra 125,36km izany rehefa miampy ireo fampitohizan-dalana.

Eny amin’ny Krypton Ambohimalaza no hisy ny fitobian’ireo fiara mpifaninana. Saika handray anjara amin’io avokoa ireo sangany rehetra isan-tsokajiny. Anisan’ny ady mafana azo andrandraina amin’io ny fifanandrinana eo amin’ny ekipazy Mathieu sy Tsiresy mitondra Mitsubishi Evo-IX izay mitarika lah-1 amin’ny filaharana vonjimaika ary arahin-dry Boom sy Berthin manamory Mitsubishi EvoX. Anisan’ireo sokajiana ho ngezalahy ary manaraka akaiky hatrany ny ekipazy Rivo sy Ando mamily Subaru Impreza. Hanamarika ity dingana fah-5 ity koa ny fiverenan’ny ekipazy Michael sy Fafahcop izay hitondra Subaru Impreza sy ry Guiguibone-Nat izay hanamory P.306. Toy ny Rallye D-Max farany nokarakarain’ny WIMS teo dia hisy “Shake down” na fanandraman-dalana koa ity “Tour de Tana” ity amin’ny zoma izay hatao eny Betsizaraina ary mirefy 3,700km. Hampitorajofo an’Anjeva sy ny manodidina indray izany ity fifaninanana ity.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT