Sport

Rallye-Tompondakan’i Madagasikara Nobatain’i Mika sy Fafah ny fandresena


  • Alatsinainy 20 Desambra 2021

Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara tamin’ny Rallye CT Motors notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny ekipazy Mika Rasoamaromaka sy Fabrice Rasata (Mika-Fafah).

 Nanao poa-droa izy ireo satria sady mandeha irery no tafiditra amin’ny dingana farany tamin’ny fiadiana ny tompondakam-pirenena ny Rallye CT Motors, izay nokarakarain’ny Klioba AMA. Nifampitady tanteraka izy ireo izay nitondra ilay fiara raitra sy matanjaka Peugeot 208 T16 sy ny ekipazy Frederic Rabekoto sy Mick Ratrimoarinosy (Freed-Mick), izay nitondra fiara Subaru Impreeza. Nifampizaran’izy ireo ny fe-potoana tsara indrindra tao anatin’ireo dingana manokana na ES miisa 11. SPORT AUTO – Mika Rasoamaromaka et Fabrice Rasata. Miisa 29 ireo nandray fiaingana, kanefa niala an-daharana avokoa ny 15 tamin’ity fifaninanana ity, ka isan’izany ry Mathieu Andrianjafy – Andry Tahina Rakotomalala (Mathieu-Andry Tahina).
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT