Sport

Rallye - Tompondakan’i Madagasikara 2018 Norombahan’ny Team Vidy Varotra ny fandresena


  • Alatsinainy 26 Novambra 2018

Nibata ny fandresena teo amin’ny fifaninanana Tour de Tanà andiany faha-18 nifarana omaly alahady 25 novambra ny ekipazy Tahina-Tovo nitondra ny fiara Subaru Impreza Vidy Varotra

 

 

 M 12 n° 5 izay nahitana dingana manokana niisa 13 teto amin’ny manodidina an’Antananarivo ka nahavitany ny lalana naleha tamin’ny fe-potoana 1h59’19,6’’ nanoloana ny fiara Subaru Impreza R4 n°6 nentin-dRivo sy Ando rahalahiny, 40,7’’ taty aoriana ary ny fiara Ford Ranger M13 n°13 tara 4’40’’  tamin’ny voalohany. Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara 2018 eo amin’ny mpanamory rallye Malagasy izany i Tahina Razafinjoelina. Anisan’ny fandresena tsara sy niavaka efa azony tamin’ny volana aogositra tamin’ity taona ity ny Rallye du Boeny tany Mahajanga ary laharana faharoa izy nandritra ny Rallye de Mangoro tany Moramanga. Tsy iadian-kevitra intsony fa anisan’ireo manoratra ny tantaran’ny familiana fiarakodia eto Madagasikara ny Team Vidy Varotra izay tarihan’i Tahina Razafinjoelina rehefa nojerena ny zava-bitany tato anatin’ny 4 taona.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT