Hotontosaina any Mahajanga ny 28-29-30 aogositra ny “Rallye de Boeny” sady dingana fah-4 nasionaly amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara.
Tamin’ny andiany faha-3 tontosa ny faran’ny herinandro teo dia nahavita valinady ny ekipazy Mathieu sy Tsiresy nitondra Mitsubishi Evo IX avy amin’ny ASACM mpikarakara, sady dingana fah-3 amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara. 1:23:47 no fitambaran’ny fotoana nahavitan-dry zareo tamin’ny halaviran-dalana nirefy 102,29km. Tafiditra lah-2 ny ekipazy FMMSAM, Tiana sy Tsiory nitondra Subaru Impreza (+5’57). Lah-3 ny ekipazy mpivady Ndrianja sy Fanja nanamory Subaru Impreza (+6’17). Fiara 19 tamin’ireo 32 nandray fiaingana ihany no tody hatramin’ny farany. Anisan’ireo ngezalahy niala an-daharana ry Boom-Berthin mitondra Mitsubishi Evo-X noho ny olana tamin’ny “boite de transfert”.
Rasanda Serge
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.