Sport

Rallye – Tompondakan’i Afrika: Mbola azo vinavinaina ny handray dingana iray amin’ny 2011


  • Alakamisy 21 Janoary 2010

Roa taona mialoha dia efa mipetrapetraka ny vinavinan’ireo fandaharam-potoana hanaovana ireo dingana mandrafitra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny fifaninanana fanamoriana fiarakodia.

 

Efa tamin’ny taona 2009 lasa iny mantsy no efa voarafitra izany. Tsiahivina fa tamin’ny taom-pilalaovana lasa iny isika Malagasy no sambany nanana solontena teratany malagasy niatrika itony fifaninanana kaontinantaly amin’ny fanatanjahantena mekanika itony, tamin’ny alalan’Andrianjafy Mathieu sy Rahamefy Teddy, izay tafita ary namiratra tany amin’ny dingana voalohany natao tany Tanzania ny volana febroary 2009 ary niatrika ny dingan’ny famaranana tany Rwanda ny volana novambra, saingy tsy nahomby noho ny olana ara-teknika. Raha iverenana kely dia efa nizotra tsara ihany ny tokony ho nikarakarantsika Malagasy Rallye international tamin’ny taona lasa iny ka ny klioban’ny FMMSAM no nivonona nandray an-tanana izany saingy nandamoka avokoa izany noho ny krizy teto amin’ny firenena. Io RIM io no tokony ho notsarain’ireo teknisianin’ny federasiona iraisam-pirenena (FIA) nizahana ny mety fahazakantsika Malagasy ny fampiantranoana io dingana iray amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika io. Ny vinavina farany naroso aloha dia tokony ho afaka hampiantrano io fifaninanana kaontintaly io isika amin’ny 2011, saingy tsy maintsy misy aloha ny RIM hitsarana ny lafiny fikarakarana amin’ity taom-pilalaovana ity. Raha jerena kosa ireo fandaharam-potoana amin’ny taom-pilalaovana 2010 dia dingana 6 no hanamarika izany ary ho an’ny taona 2011 kosa dia efa tafiditra ao anaty vinavina ny rallye hatao eto amintsika.
Hery Rabe
 
Taom-pilalaovana 2010
19-21 febroary: Kobil Rally (Tanzania)
2-4 aprily: KCB Safari Rally (Kenya)
30 aprily – 2 mey: KCB Pearl of Africa (Uganda)
4-6 jona: Mountain Gorilla rally (Rwanda)
23-25 jolay: International rally (Zambia)
27-29 aogositra: Challenge rally (Zimbabwe)
 
Taom-pilalaovana 2011
Marsa: Challenge rally (Zimbabwe)
Mey: International rally (Zambia)
Jona: Mountain Gorilla rally (Rwanda)
Jolay: KCB Pearl of Africa (Uganda)
Aogositra: Kobil Rally (Tanzania)
Septambra: KCB Safari Rally (Kenya)
Oktobra: International rally (Madagasikara)
Novambra: International rally (Namibie)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT