Sport

Rallye Tmf – Dingana voalohany Nahavita fotoana tsara indrindra i Gérard sy Teddy


  • Sabotsy 26 Aogositra 2017

I Gérard Louvel sy Teddy n°2 mitondra ny fiara Mitsubishi Lancer Evo IX N4 no ekipazy nahavita ny fotoana tsara, indrindra tamin’ny dingana manokana na ny ES 1 nirefy 8,78 km amin’ny rallye Tmf 2017 nampitohy an’Ambodimanga-Bemasoandro teny Ambohidratrimo,

omaly zoma 25 aogositra tolakandro. 7mn 7,6sec no namitany an’io halavirana io. Niala an-daharana sahady kosa noho ny olana teknika nahazo azy ny fiara Subaru Impreza M12 nentin’i Boana sy Miangaly. Amin’ny 7:45 maraina kosa dia efa hiditra an-tsehatra hisedra ny ES 2-Ambohijatovo-Ambohimahavelona eny Ambohidratrimo ihany ireo mpifaninana tavela anio sabotsy 26 aogositra. Hitohy amin’ny ES 3 ka hatramin’ny ES 7 izany.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT