Sport

Rallye Terre des Causses Laharana fahadimy i Faniry Rasoamaromaka


  • Talata 04 Aprily 2023

Azo lazaina fa tsara ny vokatra ho an'i Faniry sy Mika zanaky i Hery Rasoamaromaka izay Governoran' Analamanga

izay nandray anjara tamin'ny fiadiana ny tompondakan'i Frantsa lala-tany eo amin'ny sokajy Clio Trophy izay notontosaina ary mitondra ny anarana hoe Rallye Terre des Causses. Tonga laharana fahadimy mantsy i Faniry raha niaraka tamin'i Baptiste Langlois satria tsy afaka noho ny asany ilay mpiaraka taminy dia i Judicaël Rakotomalala. I Mika indray na dia laharana faha 29 aza no nisy azy sy Bastien Pougetson dia nanao fampisehoana ka nahazo ny laharana voalohany nandritry ny ES7 ary mbola fahatelo nandritry ny andiany faha 8. Nilatsaka izany noho ny avy eo satria nisedra fahasimban'ny fiara i Mika fa na izany aza dia mahavelom-bolo ny zava-bitany. Inoana marimarina fa amin'ny Rallye Terre d'Alecia ny volana jona ho avy izao dia haneho ny fahaizany ireto kambana ireto. Tsy nanam-bitana kosa i Axel Rakotomalala ilay Malagasy fahatelo niaraka tamin'i Fontaine, Bastien fa tsy Thomas ilay Barea. Sambany mantsy vao nandray anjara tamin'ity Rallye Terre des Causses ity ka tena nitandrina fatratra. Fa ba izany aza dia mbola nanao hadisoana ihany nandritry ny andiany mialoha ny farany Potika ny fiara saongy tsy naratra na Axel na i Bastien.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT