Sport

Rallye ronde 2020 Ekipazy miisa 11 sisa andrasana


  • Alarobia 02 Desambra 2020

Navoakan’ny federasionina malagasin’ny hazakazam-piarakodia omaly ny lisitra

 

voalohan’ireo ekipazy nahafeno fepetra handray anjara amin’ny fifaninanana Rallye ronde 2020. Miisa 19 izy ireo ka ahitana an-dry Fred-At (Fred sy At) , Faniry-Anjara, Mika-Fafahn, Haja D-Elvis D, Daddy-Sitraka, Jordan-Jennie, Boom, Vony-Aina, Ferre-Mijoro, BR-Locco, Maika-Mann, Mathieu-Tsiresy, Hermann-Xn, Cjudo-Begue, Miharihaja, Legah, Mamy kely-Rado, Sten-Krick. Mbola andrasana kosa raha ny fanazavana ny fahavononan’ireo ekipazy 11 hafa ahafahana manomboka ny fifaninanana. Ny zoma 18 sy 19 desambra izao no heritreretina hanatanterahana izany. Miisa 10 kosa ireo dingana manokana ho hita mandritry ny fifaninanana ary manodidina an’Ivato sy Ambohidratrimo no hanatanterahana azy, raha ny fampitam-baovaon’ny FSAM hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT