Sport

Rallye-RIM faha-39 Hitorajofo any Moramanga


  • Talata 04 Septambra 2018

Araka ny fangatahan’ny FSAM (Fédération du Sport Automobile de Madagascar) tamin’ny orinasa Fanalamanga dia any Moramanga sy ao anaty alan’ny Fanalamanga no hanatanterahana ny andiany faha-39 amin’ny RIM “Rallye International de Madagascar” taona 2018 amin’ny 20, 21 ary 22

 

 

 

septambra ho avy izao sady dingana faha-5 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2018. Lalana mirefy 458,62 km izay ahitana dingana manokana mirefy 205,92 km no hodiavin’ireo mpifaninana. Tombanana ho any amin’ny 45 fiara ka nisy ny fanasana Reonioney miisa 18 amin’izany ary nisy fanasana ekipazy Frantsay koa natao, araka ny nambaran’ny filohan’ny FSAM, Jimmy Rakotofiringa, teny Antaninarenina omaly saingy tsy mbola namaly ny fanasana ity vahiny ity. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Fanalamanga,  Augustin Rakotonirina, tamin’io fihaonana tamin’ny mpanao gazety omaly teny Antaninarenina io ihany koa   fa nasiam-panovana kely ny lalan-kodiavina tamin’ny Rallye de Mangoro natao farany teo tany Moramanga. Ao amin’ny toerana misy ny orinasa Fanalamanga ao Antsirinala-Moramanga no hisy ny PC “fiaingana sy fahatongavana” ary ao ihany koa sy ao anaty alan’ny Fanalamanga no hanatanterahana an’ireo ES “dingana manokana” miisa 14. Ny zoma 14 septambra 2018 no fara fisoratana anarana ho an’izay liana amin’ity fifaninanana ity. Ny sabotsy 15 ka hatramin’ny alarobia 19 septambra 2018 no fandehanana fanandramana ny toerana “reconnaissances”. Ny alakamisy 20 septambra amin’ny 1 ora no manainga ny  rallye RIM ary sabotsy 22 septambra amin’ny 4 ora hariva no famoahana ny vokatra hialohavan’ny fampisehoana ataon’ny tarika Dady Love. Ny alin’ny sabotsy 22 septambra no fanolorana an’ireo amboaran’ny mpandresy miaraka amin’ny korana hiarahana amin’i Lôla sy Stéphanie.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT