Sport

Rallye RIM andiany faha-38 Nitorajofo ara-bakiteny i Mahamasina


  • Sabotsy 11 Novambra 2017

Nitorajofo ara-bakiteny ny teo amin’ny piste fihazakahana teo amin’ny kianjaben’i Mahamasina omaly nanombohana ny rallye RIM andiany faha-38 izay tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ity taranja ity taona 2017.

 Ny dingana manokana ESS 1 sy ESS 2 no notanterahina tamin’izany ka nisongadinan’ny ekipazy Hery Be sy Fafah n°5 nitondra Mitsubishi Evo X nahavita ny in-3 mihodidina ny “circuit Mahamasina” tamin’ny fe-potoana (00:01:08,6) teo amin’ny ESS 1, narahan’i Yves sy Nitro n° 10 nitondra Subaru (00:01:10,6) ary fahatelo i Gérard sy Teddy  n°2 nitondra Mitsubishi Evo 9 (00:01:11,4). Nifamadika kosa ny laharan’iretsy voalohany fa nahavita (00:01:08,5) i Yves sy Nitro tamin’ny ESS 2 raha (00:01:09,1) kosa no vitan’i Hery Be sy Fafah tamin’io SS 2 io ary mbola faha-3 hatrany i Gérard sy Teddy (00:01:09,4). Hitohy amin’izao sabotsy maraina izao eny amin’ny manodidina an’Ambohidratrimo iny ny fifaninanana rehefa niainga maraina tetsy Mahamasina ihany. Mbola eo amin’ity toerana ity ihany no hiandrasana ny fahatongavan’ireo mpifaninana sisa tavela sy hanolorana ny mpandresy ny amboarany avy rahampitso alahady 12 novambra tolakandro. Nisy hetsika fohy niarahana tamin’ny kaomina Antananarivo-Renivohitra omaly nialohan’ny fifaninanana amin’ny maha-mpiaramiombonantoka azy.

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT