Sport

Rallye RIM andiany faha-38 Mbola misy disadisa eo amin’ny vokatra ofisialy


  • Alatsinainy 13 Novambra 2017

Mbola misy disadisa ny vokatra ofisialy tamin’ilay fifaninanana rallye RIM andiany faha-38 nokarakarain’ny Fsam teto Antananarivo ny 10,11 ary 12 novambra teo izay nanome filaharana ankapobeny vonjimaika. Nahazo ny voalohany i Ndrianja-Fanja nitondra Subaru n°1.

 

 Faharoa i Bona-Miangaly nitondra Subaru n°11. Fahatelo i Tahina-Baovola fiara Subaru n°6. Fahefatra i Yves-Nitro fiara Subaru n°10. Nanao fitarainana an-tsoratra ity ekipazy farany noho ny sazy nomena azy ireo nefa tsy nomena ny ekipazy rehetra ka nahatonga azy ireo hitana an’io laharana faha-4 io. Tsy afa-po tamin’ny valin-teny navoakan’ny “commission sportive” ny rallye izy ireo ka nampakatra ny raharaha na “appel” eny amin’ny tribunal sportif. Tsy nisy ny fizarana amboara ho an’ireo nandresy teny Mahamasina, araka izany, afa-tsy i Hery Be sy Fafah sy ireo “Sponsors” rehetra tamin’ity rallye ity (Cua, X-L, Orange …) sy ny officiel technique toy ny mpisava lalana.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT