Sport

Rallye-RIM 2020 Norombahin’i Rivo sy Ando


  • Alatsinainy 16 Novambra 2020

Nikatona omaly alahady ny RIM « Rallye International de Madagascar » andiany faha-41, nifaninanana tamina halaviran-dàlana 328km mahery kely, nahitana dingana manokana “Epreuve Spéciale” mirefy 167km mahery kely,

 nitsinjara ho 15. Ireo mpirahalahy Rivo sy Ando Randrianarivony tamin’ny alalan’ny fiara SUBARU N16 R4 no nibata ny RIM 2020. Ny ekipazy Hasina Rakoto sy Dina Randriantandra (Subaru Impreza) no laharana faharoa, na vao sambany aza i Hasina Rakoto no nandray anjara tamin’ny sokajy 4RM. Fahatelo kosa i Hery Rasoamaromaka sy Lalà Rasanjison tamin’ny alalan’ny fiara Peugeot 208 T16 R5, izay vaovao sy tena matanjaka nosantarina voalohany tamin’ity RIM 2020 ity. Mafy ny fifaninanana tamin’ity indray mitoraka ity, hany ka am-polony mahery no tsy nahavita ny fifaninanana hatramin’ny farany, toa an-dry Mathieu sy Tsiresy, Ndrianja sy Fanja, Tahina sy Ranto izay nivadika teo amin’ny ES8,… Teo amin'ny 2RM dia i Faniry Rasoamaromaka sy Ny Anjara Rajaonalisoa nitondra Citroën C2 no nisongadina. Marihana fa fandraisana anjaran'ny Faniry voalohany amin'ny Rallye io. Ho an’ny sokajy T2, kosa dia ny ekipazy Freddy Rakotomanga sy Jimmy Randrianantoandro (Isuzu D-Max).

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT