Sport

Rallye RIM 2018 Mbola i Rivo sy Ando ihany no nahery


  • Alatsinainy 24 Septambra 2018

Nikatona ny sabotsy 22 septambra teo tao amin’ny Fanalamanga ao Tsirinala Moramanga ny ridaon’ny fifaninanana rallye RIM 2018 na ny RIM andiany faha-39.

Mbola nahery indray tamin’ity fifaninanana natao tany Moramanga ity ny ekipazy Randrianarivony Rivo sy Randrianarivony Ando (Fanalamanga) Fmmsam-Fmmsam N°6 nitondra Subaru Impreza R4 nahavita ny fifaninanana  tao anatin’ny 02:24:21,2. Faharoa ny ekipazy (Vidy Varotra) N°5 Razafinjoelina Tahina sy Rakotomalala Andry Tahina nitondra ny Subaru Impreza M12 (02:27:49,0). Fahatelo taorian’ny nialan’ny ekipazy Tahina sy Tahiry N° 4 an-daharana teo amin’ny dingana mialoha ny farany ny ekipazy (Bf Goodrich) Rahamefy Teddy sy Ratsimbarisoa Herman N°13 nitondra ny Ford Ranger M3 (02:33:05,8). Natolotra tao Tsirinala nivantana ny lokan’izy ireo raha ny takariva tao anaty lanonana tany amin’ny Bezanozano kosa ireo loka hafa rehetra. Notoloran’ny Fsam amboara manokana kosa ny DG-n’ny Fanalamanga, Rakotonirina Augustin, noho ny ezaka vitany in-droa miantoana nandray ny rallye tany Moramanga.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT