Sport

Rallye RIM 2017 Tafapetraka ny « Appel » nataon’ny ekipazy Yves sy Nitro


  • Sabotsy 18 Novambra 2017

Tontosa tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna tetsy Analakely ny fanolorana ireo amboara tamin’ny fifaninanana rallye RIM andiany faha-38 notontosaina ny 10,11 ary 12 novambra 2017 teto Antananarivo afa-tsy ny an’ny « classe M 4 » sy ny filaharana ankapobeny noho ny fametrahana fitarainana nataon’ny ekipazy N°10 dia Yves sy Nitro nitondra Subaru.

 

 Fantatra ihany koa fa voapetra ny talata 14 novambra teo teny amin’ny Federasion’ity taranja ity ny « appel » nataon’ireto ekipazy nametraka fitarainanana ireto izay nanaja tanteraka ny fe-potoana 48 ora azo hanatanterahana izany ary efa nandoa ara-dalàna ny saran’izany fametrahana « appel » izany. « Nolavinay ny vokatra vonjimaika nivoaka tamin’ny alahady 12 novambra teo, hoy izy mirahalahy ireto izay marihana ihany fa avy amin’ny klioba Tmf Rallye sy Asacm, satria notoherinay ny fiampangana anay ho tsy nanaraka ny « parcours officiel » samirery nefa araka ny fantatra dia nisy ihany koa ireo ekipazy hafa nanao izany ». Nanambara ihany koa Atoa Rakotomalala Solofo filohan’ny Tmf Rallye fa miombon-kevitra amin’ity ekipazy n° 10 ity ry zareo ary miandry ny fihetsiky ny Federasion’ny Rallye eto Madagasikara na ny Fsam izay araka ny fantatra dia tsy maintsy hampiantso AGE amin’ny raharaha tahaka izao hoenti-manangana ny « Tribunal Sportif » hitsara ny raharaha.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT