Sport

Rallye-raid Dakar andiany faha-42 Tontosaina manontolo any Arabie Saoudite


  • Talata 07 Janoary 2020

Sambany tao anatin’ny tantarany no tontosaina manontolo ao anatin’ny firenena iray dia any Arabie Saoudite ny fifaninanana Rallye-raid Dakar amin’ity taona 2020 ity. Halaviran-dalana anaty fasika 75 % mirefy 7800 km no ho.

 

 

diavin’ireo mpifaninana ka ny 5000 km amin’ireo dia dingana manokana avokoa ka ny 5 amin’izany dia mihoatra ny 450 km avokoa . Tao an-tanànan’i Jeddah amoron’ny Ranomasina Mena no niaingan’ity andiany faha-42 amin’ny fifaninanana ity tamin’ny alahady 5 janoary 2020 lasa teo ka nampitohy amin’ny tanànan’i Al Wajh (752 km nahitana dingana manokana nirefy 319 km). Nisongadiina tamin’izany ny nandrombahan’ilay teratany Aostraliana, Toby Price efa in-droa nandrombaka ny fifaninanana Dakar, ny teo amin’ny sehatry ny fanamoriana Moto.  Any amin’ny zoma 17 janoary 2020 kosa vao hifarana ity fifaninanana ity amin’ny alalan’ny dingana faha-10 hampitohy ny tanànan’Haradh amin’i Qiddiya mirefy 447 km ahitana dingana manokana 374 km.  Omaly alatsinainy 6 janoary nandritra ny dingana faha-2 mirefy 393 km nampitohy an’i Al Wajh amin’i Neom dia i Orlando Terranova nitondra Mini no mitarika amin’ny laharana vonjimaika amin’ny fanamoriana fiarakodia na dia i Ginel de Villers nitondra fiara Toyota nahavita ny halaviran-dalana tao anatin’ny ora 3 sy 37’ sy 20 am-pahazatony. Lasa 4’43 mialohan’i Carlos Sainz (Mini) izy sy 6’07 mialohan’i Nasser Al-Attiyah (Toyota). 

Teo amin’ny fitondrana Moto dia i Ross Branch,  32  taona, tompondaka farany mitondra KTM no nahazo ny laharana voalohany, nahvita nahavita 2 min sy 05 segondra nialohan’ilay Amerikanina Ricky Brabec (Honda) ary 2 min 40 nialohan’ilay Aotrisiana Matthias Walkner (KTM). I Sam Sunderland nitana ny laharana faha-2 kosa omaly no mitarika amin’ny laharana ankapobeny vonjimaika eo amin’ny fitondrana Moto.  Anio talata 07 janoary 2019 dia ny dingana faha-3 tontosaina ao an-tanànan’i Neom mirefy 504 km ahitana dingana manokana mirefy 427 km no ho diavin’ireo mpifaninana.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT