Sport

Rallye Passion Antsirabe Andiany voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondaka 2019


  • Alarobia 27 Febroary 2019

Ny Rallye Passion hotontosaina any Antsirabe ny 19-20-21 aprily 2019 ho avy izao no hanokatra ny andiany voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ity taona 2019 ity.

 

 

 Klioba 3 be izao no indray hifarimbona amin’ny fanatontosana ny hetsika dia ny ACCT “Association Cross Car de Tana”  tarihan’i Mamy Andriamanantsarasoa, ny MSA “Mada Sport Auto” tarihan’i Jouvelin Razanamparany   ary ny  TAC’S “Tamatave Auto Club Sport” tarihan’i Sanjy Rajaonarivelo miaraka amin’ny tohana mavitriky ny FSAM « Fédération du Sport Automobile de Madagascar » tarihan’ny filohany Jimmy Rakotofiringa. Mba hahazoana mizara ny fitiavana manokana ny rallye dia hisy ny fanangonam-bola «soirée de levée de fonds » hotanterahina ao amin’ny Suite 101 Antaninarenina ny zoma 15 martsa 2019 ho avy izao ka hanasan’ireo klioba 3 ireo ny mpankafy rallye rehetra hiara-kikorana aminy.  

Marihina fa hotanterahina eny amin’ny A/c Palace Ivato amin’ny sabotsy 2 martsa 2019 ho avy izao ny fanolorana an’ireo amboaran’ireo mpandresy tamin’ny taom-pilalaovana 2018.

.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT