Mitohy ny fanohanan’ny PMU ny ekipazy Ndrianja-Fanja ho an’ity taompilalaovana 2015 ity. Niova fiara matanjaka kokoa moa ity ekipazy ity. Samy afa-po ary tapakevitra ny hanony ny fiarahana ny roa tonta. Ity no taom-pilalaovana fah-3 hitondran’ny ekipazy Ndrianja sy Fanja ny anaran’ny PMU mpanohana azy.
Marihina fa lah-2 hatrany tamin’ny sokajy nisy azy ity ekipazy mpivady ao amin’ny klioba ASACM ity amin’ny sokajin’ny ekipazy lahy sy vavy miaraka. Efa nanomboka tamin’ny taona 2013 izy mivady no niara-niatrika fifaninanana sy tamin’ny PMU. Hisy dingana fito amin’ity taom-pilalaovana ity. Ny “Rallye Total” andiany fah-9 sady dingana voalohany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara hatao ny 15-17 mey no hisantatra ny fifaninanana. Ity mpanohana ity no hiantoka ireo ilaina hiatrehana ny fifaninanana toy ireo kojakoja samihafa sy ny fisoratana anarana ary ny solika mandritra ny taompilalaoavana. Tanjon’ny mpanohana kosa ny fampahafantarana ny vokany ka mety aminy tsara ny fisian’ireo fifaninanana hatao any amin’ny faritra hafa toa an’i Mahajanga sy Antsirabe ary Fianarantsoa. Nomarihin’i Ndrianja kosa fa ny ekipazy ihany no tena hiantoka ny fikarakarana ny fiara. Tojo amin’ny nofinofiny ihany koa ry Ndrianja ary niova fiara ho lasa Subaru GDB N12 B gropy N raha Subaru Impreza teo aloha. Vaovao mihitsy avy tany ivelany ity fiary ity ary efa nampiasan’i Joda sy Rila, avy eo nampiasain’i Hery be.“Ho mafy ny fifaninanana ao amin’io sokajy misy anay io, hoy i Ndriana ka tanjona ny hitady vokatra tsara araka izay tratra.
Rasanda Serge
Hilahatra amin’ireo kalaza ny ekipazy Ndrianja sy Fanja
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.