Sport

“Rallye National de l’Ardèche” any France Mandray anjara ilay Malagasy Axel Rakotomalala


  • Zoma 21 Oktobra 2022

Iray amin’ireo handray anjara amin’ny fifaninana hazakazaka fiarakodia « Rallye National de l’Ardèche » andiany faha-25 any Frantsa ny 22-23 oktobra i Axel Rakotomalala, mpanamory Malagasy mivoatra any Frantsa,

vao 23 taona monja. Avy amin’ny fianankaviana tsy vaovao amin’ny sehatry ny spaoro mekanika satria ny rainy mpanamory malaza mpikambana tao amin’ny Asatana ny rainy dia I Andry Rakotomalala, nalaza tamin’ny famoriana ny fiara Citroën AX Sport efa hatrany amin’ny taona 1990, nitondra ny fiara Coca tamin’ny Rallye Papmad 1996, nifindra tany Frantsa ny taona 2010, ary mbola nisehatra tamin’ny Rallye hatrany. Namindra fanilo tamin’ny zanany, na dia ny sehatry ny mozika aza no tena nahaliana ity farany. Nanandrana ny fiara marika 106 an’ny rainy tany amin’ny “Circuit d’Albi”, ary nanomboka nisehatra tamin’io taranja io ny taona 2018. Nandray anjara voalohany tamin’ny Rallye Régional des Côtes Frontonnais tamin’ny alalan’ny fiara Peugeot 206XS niaraka tamin’I Florian Nicoulau ny 2020, ka mbola mpanamory mpanampy na “co-pilote” tamin’izany. Ny taona 2022 kosa, niditra lalina kokoa hatrany I Axel nandray anjara tamin’ny Challenge N2S, fiadiana izay ho tompondaka ho an’ny fiara latsaky ny 1600C, ka nitana ny laharana faharoa tamin’ny Rallye National Savoie – Chautagne niaraka tamin’ny co-pilote antsoina hoe Tanguy Maniglier. Niakatra tamin’ny avo lenta kokoa hatrany, ka amin’izao dia tanjony ny ho tafita amin’ny dingana famaranan’ny Fiadiana ny Tompondakan’I France amin’ny Rallye ny taona 2023. Laharana fahaefatra moa izy tamin’ny N2S Rallye Régional des Vallons Ardéchois 2022, dingana fahaefatra amin’ny taom-pikatrohana 2022, tamin’ny alalan’ny fiara 206. Hanamory fiara Peugeot 106 kosa izy amin’io Rallye faran’ny herinandro io. Ankoatra ny maha mpanamory azy ; "Conseiller Clientèle” amin’ny banky lehibe iray any Frantsa izay manana rantsana aty Madagasikara I Axel Rakotomalala.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT