Sport

Rallye Nankang Asacm 2018 Mpifaninana 47 no hanainga eny Imerinkasinina rahampitso


  • Alakamisy 21 Jona 2018

Ny rallye Nankanga Asacm 2018 izay karakarain’ny klioba Asacm miaraka amin’ny tohan’ny Fmmsam hotontosaina ny 22, 23 ary 24 jona izao amin’ny lalana Ambohimanambola, Anjeva, Masindray,

Andorohoro ary Ankadinandriana mirefy 120 km ahitana dingana manokana 12 mirefy 85,98 km (2 hatao ny 22 jona ary 4 avy no hatao ny 23 sy 24 jona) no dingana faha-2 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ity taona 2018 ity. Eny Imerinkasinina no nofinidin’ny mpikarakara hiaingan’ireo mpifaninana miisa 47 nisoratra anarana amin’ity rallye ity. Marihana fa 3 herinandro lasa izay dia Rabekoto Frédéric sy Rakotomalala Tahina nitondra Subaru Impreza N4 no nandrombaka ny andiany voalohany amin’ity ho tompondakan’i Madagasikara 2018 ity izay hifampitady tanteraka amin-dry Tahina sy Baovola (Subaru Impreza) sy ry Tahiana sy Tahiry (Subaru Impreza) ao amin’io sokajy N4 io. Tsiahivina fa i Ndrianja sy Fanja kosa no nandrombaka ny rallye Asacm taona 2017.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT