Sport

“Rallye Motul” andiany voalohany Norombahan’ny ekipazy Fred-Tahina ny fandresena


  • Alatsinainy 28 Mey 2018

Nifarana omaly alahady 27 mey raha nanomboka ny zoma lasa teo ny fifaninanana mamily fiarakodia “Rallye Motul” andiany voalohany,Nirefy 251,52 km ary nahitana dingana manokana miisa 11 mirefy 112,90 km izy ity , nolalovan’ireo mpifaninana 35 teo am-piaingana ny teny Ambohimanambola,

Imerinkasinina, Talata-Moronkay, Ambohitrandriamanitra ary Imerimanjaka.nandrombaka ny fandresena ny ekipazy Rabekoto Frederic – Rakotomalala Ando Tahina avy ao amin’ny ASACM nitondra fiara Subaru Impreza , nahavita ny halaviran-dalana 112,90 km totalin’ireo dingana manokana (ES) 11 tao anatin’ny 1 ora sy 32 minitra ary 31,8 segondra.Laharana faharoa kosa ny ekipazy Razafinjoelina Tahina – Andriamanantena Tahina nitondra Subaru Impreza mbola klioban’n ASACM ihany ary tafiditra laharana fahatelo I Randrianarivony Rivo sy Randrianarivony Ando avy ao amin’ny FMMSAM izay mbola nanamory fiara Subaru hatrany moa.Henjakenjana ny lalana, ny andro voalohany ohatra dia efa nitsoaka an-daharana sahady ny ekipazy Yves-Solofo izay nitondra ilay Mitsubishi Lancer Evolution X, anisan’ny fiara matanjaka tamin’ity fifaninanana ity.Tsikaritra ihany koa anefa ny fivoaran’ireo mpanamory Malagasy izay sady mampiasa fiara matanjaka no efa mandeha mafy no sady mahafehy tsar any lalana.Nisongadina hatrany kosa anefa ireo izay efa manana traikefa sy zatra fifaninana tahaka ny ekipazy Razafinjoelina Tahina-Andriamanantena Tahina, sokajian’ny mpanara-baovao fa anisan’ireo manana ho avy mamiratra amin’ity taranja familiana fiarakodia ity eto Madagasikara.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT