Sport

Rallye Motul andiany fahatelo Tahina sy Ranto no nivoaka ho mpandresy


  • Alatsinainy 16 Mey 2022

Lasan’ny Subaru Impreza STI Vidy Varotra avy amin’ny klioban’ny ASACM, nentin’I Tahina Razafinjoelina sy Ranto Ramarokoto ny laharana voalohany tamin’ny andiany fahatelo amin’ny Rallye Motul , izay nifarana nifarana omaly.

Raha tsiahivina ny lalana ny sabotsy dia nitoraka niatsinanana tany Imerinkasinina sy . Nitohy omaly alahady izany ka nihazo an’Andakana sy Mahitsy amin’ny ilany andrefan’Antananarivo iny indray. Tamin’ireo ekipazy miisa 30 nandray anjara dia tody hatramin’ny farany tetsy amin’ny PC Sodiama Ankorondrano ny 18, izany hoe nahavita ny dingana manokana miisa 12. Tsara ho marihina fa nisy ireo fiara sokajiana fa tena matanjaka nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity toa ny Peugeot 208 T16 nentin’i Rasoamaromaka Herilalaniana (Hery Be), izay governoran’ny faritra Analamanga moa sy ny Mitsubishi evolution 9 an’i Rajoelison Mamy.Nandray anjara tamin’ity Rallye Motul andiany fahatelo ihany ihany koa i Rakotojohary Tovohery na Tovonenn izay ben’ny tanànan’i Tanjombato nitondra fiara Clio.
J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT