Sport

“Rallye Motul” andiany faharoa Bona sy Ny Anjara no voalohany


  • Alatsinainy 20 Mey 2019

Nangotraka ny hazakazaka fiarakodia “Rallye Motul” andiany faharoa notanterahina teny Anjeva-Masindray, nitohy tany Talatan’i Moronkay-Imerikanjaka-Ambohitrandriamanitra ny faran’ny herinandro teo,

 izay tafiditra ao anatin’ny dingana faharoan’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara 2019.  Nibata ny laharana voalohany ny ekipazy Bona sy Ny Anjara tamin’ny alalan’ny fiara Subaru Impreza. Mbola ny Subaru ihany koa no nibatana ny laharana faharoa tamin’ny alalan-dry Frederic sy Tahina, ary ry Teddy sy Herman kosa no nibata ny laharana fahatelo tamin’ny alalan’ny fiara Ford Ranger. Voatery niala an-daharana kosa ny fiara Subaru Impreza nisalotra ny loko Mangan’ny Vidy Varotra nentin-dry Tahina Razafinjoelina tompondakan’i Madagasikara farany noho ny olana ara-teknika ka anisan’ny voa tamin’izany ny “turbo”.

Nangonin’iToky R  

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT