Rallye Motul andiany faha-5

Norombahin’i Mathieu sy Tahina


  • Alatsinainy 10 Jona 2024

Ny ekipazy Mathieu Andrianjafy-Andry Tahina Rakotomalala Andrianjafy tamin’ny alalan’ny fiara

Subaru Impreza no nibata ny andiany faha-5 tamin’ny Rallye Motul natao ny sabotsy sy alahady teo, tany amin’iny faritra Morokay, Ambatomanga,.. ary nifarana teny Ankorondrano. Tafiditra amin’ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara ho an’ny Rallyes 2024 io. Izy ireo no tompondakan’i Madagasikara amin’izao fotoana izao, efa in’efatra nibata an’izany, ary mbola tsara fanombohana ho an’ity taona ity. Ny ekipazy Frédéric Rabekoto - Mick Ratrimoarinosy kosa no nitana ny laharana faharoa tamin’ny alalan’ny Subaru Impreza ihany tao anatin’ity Rallye Motul ity. Teo amin’ny laharana fahatelo kosa ny ekipazy Faniry Rasoamaromaka-Mahents Randriambololona, izay nitondra ilay fiara Peugeot 208 T16. Mahatratra 5 eo moa ireo fifaninanana ho an’ny taom-pilalaovavana 2024 amin’ity fifaninanana hazakazaka fiarakodia ity. Ny volana jolay izao ny manaraka, izay karakarain’ny klioba ASACM, raha toa ka ny FMMSAM no nikarakara ilay vao vita teo.
Nangonin’i Toky R
Sary indrana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT