Sport

“Rallye Motul 1ère edition” Dingana 1 amin’ny tompondakan’i Madagasikara 2018


  • Alakamisy 24 Mey 2018

Mahatratra 41 ireo fiara handray anjara amin’ny “rallye Motul 2018” ho tanterahina eto Antananarivo ny 25,26 ary 27 mey ho avy izao.

 Sady fanamarihan’ny klioban’ny klioba FMMSAM na ny Firaisana Malagasy Mpanao Spaoro Auto- Moto tarihan-dRatahina Robbi ny faha-50 taona niorenany (1968-2018) no fanokafana ofisialy ny dingan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagascar 2018 eo amin’ny fanamoriana fiarakodia ny hetsika. Efa nampahafantarin’ny mpikarakara teny amin’ny “Design Auto” teny Ankorondrano tamin’ny  15 mey 2018 teo fa hahatratra 251,520 km ny halaviran-dalana ho diavin’ireo mpifaninana amin’ity fifaninanana ity ka 111,290 km ny dingana manokana ao anatin’izany, 1 (ES 1) ho tontosaina ny zoma 25 mey, 6 ny sabotsy 26 (ES 2-Es 7) ary 4 amin’ny alahady 27 mey (Es 9-Es 11)ary  148,780 km kosa ny antsoina hoe : “liaison”. Nosafidian’ny FMMSAM mpikarakara manokana ny lalana mankany Talatan’i Morokay sy Ambohitrolomahitsy hanatanterahana ny fifaninananana. Mialohan’ny fiaingana etsy amin’ny Pc etsy amin’ny Sodiama Ankorondrano ny zoma 25 mey amin’ny 1 ora atoandro dia hisy ny hetsika “Convoi officiel” ho totonsaina miainga eny amin’ny lalana Marais Masay-Sodiama ny maraina manomboka 7-10 ora.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT