Sport

Rallye Mampiray Norombahan段 Boom-Berthin taorian地y fankatoavana ny fitarainana


  • Alatsinainy 20 Jolay 2015

Lasan段 Boom sy Berthin koa ny dingana fah-2! Resa-be sy savorovoro no niafaran地y andiany voalohany tamin地y 迭allye Mampiray� sady dingana fah-2 amin地y fiadiana ny tompon-dakan段 Madagasikara natao tany amin地y faritr但moron棚mania, tao Ambositra sy ny manodidina ny 16-18 jolay teo.


Raha ny vokatra vonjimaika taorian’ny fifaninanana dia ny ekipazy Mathieu-Tsiresy nitondra Mitsubishi Evo-IX no lah-1. Nisy anefa ny fitarainana napetraky ny ekipazy Boom-Berthin nitondra Mitsubishi Evo-X mikasika ny fahadisoan’ny vokatra navoakan’ireo ofisialy teknika mikasika ny sedra manokana fah-7. Lasa nananosarotra ny famohanana ny vokatra ofisaly. Nilaza moa i Berthin fa efa niaky ny fahadisoany ny vondron’ireo ofisialy teknika ary nankato ny fitarain-dry Berthin ka nanome rariny azy ireo. Tetsy ankilany rehefa nanontaniana ny sekretera jeneralin’ny federasiona Rajaonarivelo Sanjy dia nanamafy tamin’ny fomba ofisialy fa ny ekipazy Boom-Berthin no mpandresy. Lasa lah-2 araka izany ry Mathieu, tara 3 minitra tany aoriana. Fotoana tsara indrindra tamina sedra manokana 6 no vitan’i Zaza Maditra nandritra ity Rallye ity ary 3 kosa ny an’i Boom dia ny ES2, ES4, ES5. Ny ambiny kosa lasan’i Mathieu. Isan’ny nampafana ny resaka araka ny tatitra azo avy tamin’i Berthin ny “fanompana imasom-bahoana nataon’i Tsiresy, teo anoloan’ny federasiona, Hajo Andrinainarivelo ary manampahefana hafa, tsy misy fanajana intsony nefa mba olon-dehibe ihany ny tena”. Tafiditra lah-3 kosa i Rivo-Ando nanamory Subaru (+4:31). Lah-4 ankapobeny ary voalohany tamin’ny mpanamory lahy sy vavy miaraka i Ndrianja-Fanja nitondra Subaru. Lah-5 ankapobeny ary voalohany ho an’ny sokajy T2 i Freddy-Jimmy nitondra Isuzu D Max (+14:02). Lah-6 ary voalohany amin’ny M12 i Dani-Hendry nanamory Nissan (+16:11) ary lah-7 fa voalohany tamin’ny M11 i Tovonen-Riaria nanamory Clio (+220:28). Nofoanana moa ny sedra manokana fah-8 ka sivy ihany araka izany no natrehin’ireo mpifaninana. 

Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin窶冓ty sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maテョtre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT