Sport

Rallye – KCB Rwanda Mountain Gorilla Lah-1 indray ny ekipazy Malagasy Joda sy Rila


  • Alatsinainy 03 Oktobra 2011


 Mitohy ny fahombiazana ho an’ny ekipazy malagasy, Ranarivelo Jean-Yves na i Joda sy Ranaivomampianina Rila. Taorian’ny efa nisaloran’ity ekipazy tompondakan’i Madagasikara ity ny rallye tany Tanzania, dingana faha-6 amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika,  tamin’ny fiandohan’ny volana septambra teo dia norombahan’izy ireo indray ny KCB Rwanda Mountain Gorilla izay dingana faha-7 amin’ny African Rally Championship, natao tany Kigali Rwanda ny 30 septambra hatramin’ny 2 oktobra teo. Hatrany am-piandohan’ny fifaninanana ry Joda no efa namiratra ary nahavita nandrindra ny tombony hatrany amin’ny ES14 farany omaly alahady. Miakatra ao amin’ny laha-3 vonjimaika amin’ny filaharana ARC izany ry Joda raha laha-4 teo aloha. Tafiditra laha-6 kosa ny ekipazy Freddy sy Yachine. Fiara 8 tamin’ireo 22 nandray ny fiaingana moa no nahatody ny fifaninanana hatramin’ny farany. Tsiahivina fa tsy niatrika io dingana faha-7 mialoha ny farany io ireo laharana roa voalohany dia i Rothenbach sy James Whyte izay marihina fa efa manana tombon’isa lavitra be amin’ny filaharana ka tsy ho tratran-dry Joda intsony. Heverina anefa fa ho avy handranto ny fifaninanana eto amintsika izy ireo mba tsy hisian’ny fitsimbadihan’ny isa eo amin’ireo mitana ny laharana roa voalohany ireo. Ny 25-27 novambra moa no hanaovana ny dingana faha-8 farany amin’ny ARC eto Antananarivo.   

 

Hery Rabe

 

Rallye afrikanina roa izay no azon’i Joda

 

Filaharana :

1-Jean-Yves Ranarivelo-Rila Rranaivomampianina (MAD) : Subaru Impreza STI: 3:38:38

2-Giancarlo Davite-Sylvia Vindevogel (RWA) : Subaru Impreza STI : 03:43:02 (+4:24)

3-Valery Bukera-Nital Kheitia (BUR) : Subaru Impreza STI : 3:45:15 (+6:37)

4-Christakis Fitidis-Julie Van Der Haert (RWA) : Subaru Impreza STI : 3:54:47 (+16:09)

5-Alain Dethise-Ronald Van Der Veken (BUR) : Subaru Impreza STI : 4:01:17 (+22:39)

6-Freddy Rakotomanga-Adam Yachine (MAD) : Subaru Impreza STI : 4:02:32 (+23:54)

7-Elefter Mitraros-Paolo Paganin (RWA) : Subaru Impreza STI : 4:18:38 (+40:00)

8-Wycliff Bukenya-Ahmed Senyonjoe (EAU) : Mitsubishi Lancer EvoIX : 4:19:39 (+41:01)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT