Sport

Rallye International de Madagascar andiany faha-37 Notoloran’ny Airtel loka ireo mpamily mendrika indrindra


  • Alarobia 16 Novambra 2016

Tsy namela fotsiny ireo mpamily sy ny mpanampy azy telo voalohany mendrika indrindra tamin’ny RIM andiany faha-37 notanterahina teto amintsika ny faran’ny herinandro teo ny orinasam-pifandraisana Airtel.

  Nanolotra amboara sy loka ho azy  ireo tamin’ny alalan-dRatsimbason Andry,  tale misahana ny maha olona eo anivon’ny orinasa izy ireo omaly entina hanehoana amin’ny rehetra fa manohana ny taranja ara-panatanjahantena misy eto amintsika ity orinasam-pifandraisana iray ity.  Anisan’ny notolorana izany voalohany Razafinjoelina Tahiana sy Rajaonarison Baovola izay nitondra ny fiara Sabira impreza. Teo ihany koa Solofonirina Herivonjy sy Solofonirina Sandy niaraka tamin-dRanaivoson Ralambozafy sy Ralambolanja. Nambaran-dRatsimbason Andry nandritra izany fa mendrika valisoa avokoa ny ezaka atao rehetra hahafahana mampirisika hatrany ny mpandray anjara, indrindra fa ireo nahavita be tahaka azy enina mianadahy mianaka ireto. Nanambara moa ny Airtel fa vonona hatrany izy ireo ny hanohana ny hetsika tahaka izao raha anisan’ny tena nahafa-po azy ireo ny RIM tamin’ity taona 2016 ity.

Pati


 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT