Sport

Rallye FSAM Ny 16 mey ny dingana voalohany


  • Alarobia 05 Mey 2010


Raikitra amin’izay, lasa izao ! Hotontosaina ny alahady 16 mey izao ny fifaninanana hazakaza-piarakodia “Rallye FSAM”, dingana voalohany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, rehefa nihemotra herinandro raha ny 8 mey ny daty voatondro voalohany tao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny federasiona malagasin’ny fanatanjahantena mekanika (FSAM). Ny federasiona rahateo no tompomarika amin’ny fikarakarana ity fanokafana ity. Eto Antananarivo sy ny manodidina no hanaovana ny fifaninanana ny tontoloandron’io alahady io. Dingana manokana (Epreuves spéciales) 10 no voalahatra amin’io fotoana io ka hitotaly 110 km ny halavan’izy rehetra ireo ary mitovitovy amin’izay koa ny fampitohizan-dalana (Liaisons). Eny amin’ny tany malalaka enyAndohatapenaka ny toeram-pitobiana, fiaingana sy fahatongavan’ireo fiara mpifaninana. Raha ny alahady ny tena fifaninanana dia hisy hetsika hafa hatao eny an-toerana ny sabotsy 15 mey. Ny tapakandro maraina ny fifaninanana “open moto cross” sy “open quad”. Ny tolakandro kosa ny fizahana ireo fiara hifaninana amin’ny rallye harahin’ny fifaninanana “slalom auto”. Santatra amin’ireo dingana enina hanamarika ny taom-pilalaovana ihany io amin’ny 16 mey io fa hifanesy aorian’izay ireo ambiny ka ny roa amin’ireo dia ivelan’ny renivohitra, any Fianarantsoa sy Toamasina. 

Hery Rabe
 
Taom-pilalaovana 2010
Dingana 1 : 16 mey – Rallye FSAM (Antananarivo)
Dingana 2 : 4-6 jona - Rallye Dzama Asacm (Antananarivo)
Dingana 3 : 6-8 aogositra - Rallye Tasamm (Fianarantsoa)
Dingana 4 : 24-26 sept - Rallye Inter Fmmsam (Antananarivo)
Dingana 5 : 29-31 oktobra - Rallye Tour de Tana (Antananarivo)
Dingana 6 : 10-12 desambra - Rallye Des Litchis (Toamasina)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT