Sport

Rallye – FSAM Nahomby ny fiverenan’i Joda


  • Alatsinainy 17 Mey 2010

Namokatra avy hatrany ny fiverenan-dRanarivelo Yves na i Joda amin’ny fifaninanana fanamoriana fiarakodia. Norombahan’ity farany niaraka tamin’i Rila izay nitondra fiara subaru ny rallye FSAM sady dingana voalohany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara.

Nampanantena fa handray anjara amin’ireo dingana rehetra amin’ny fifaninanam-pirenena amin’ity taom-pilalaovana ity i Joda indrindra fa ny RIM. Niady hatramin’ny farany tokoa ny fifaninanana teo amin’ity ekipazy ity sy ry Mathieu sy Tahiana nitondra subaru izay laharana faharoa. Mbola i Mathieu, ilay zaza maditran’ity taranja ity aza no nanenjana tany am-piandohana saingy tratran’ny sazy 10 segaondra tamin’ny fiverenana fanintelony ireo «épreuves spéciales» nifaninanana ary izay no nahavoazan-dry Joda azy tamin’ny elanelam-potoana 24 segaondra. Nanana olana ara-teknika moa ry Mathieu raha maty ny turbo-n’ny fiarany. Tany amin’ny laharana fahatelo kosa ny ekipazy Cri sy Hasina izay nanamory Mitsubishi Evolution 7. Nanapa-kevitra ny hiala an-daharana taorian’ny «spéciale» fahatelo kosa ny ekipazy Mickael sy Fafah izay anisan’ny nandrandrain’ny maro raha nisy fahatapahana ny «echapement»-n’ny subaru nentin’izy ireo ary niraikitra koa ny «accélérateur»-ny. Fiara 17 tamin’ireo 30 nandray anjara ihany moa no tody hatramin’ny farany tamin’ity dingana voalohany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara ity izay nahitana dingana manokana 10 nitotaly 107,6km. Ny «rallye Djama» hokarakarain’ny klioba ASACM indray ny dingana faharoa manaraka ny 4-6 jona izao eto an-drenivohitra ihany.

Hery Rabe
 
Filaharana
1- Joda – Rila (Subaru Impreza - N4) 1:19:25
2-Mathieu - Tahiana (Subaru Otis Climatel - N4) 1 :19 :49
3-Cri – Hasina (Mitsubishi evo 7 - N4) 1:24:20
4-Sissi – Davonjy (Subaru Total Quartz – N4) 1:25:13
5-Kopela – Patou (Subaru Parabole - M12) 1 :26 :13
6-Herve - Jimmy R. (Subaru Impreza - M 12) 1:47:48
7- Bera – Jaona (P. 204 - M10) 1 :57 :14
8- Texinho – Rova (Citroen Ax sport - M9) 1 :59 :12
9-Bobo Jr – Donato (Golf Andrano - M11) 2:00:07
10-Ryan – Andry kely (P. 205 Madagascar Voyage - M11) 2:01:28
11-Honda be – Faranzak (R5 Harena sy Haiky) 2:02:18
12- Dida – Jaona (Citroen Ax MSA - M10) 2:12:03
13- Anjaniaina – Nix (Lancia Delta - M12) 2 :12 :05
14-Nioto – Fred (Nissan GTIR Trans Ramboasoa) 2:13:29
15- Marc – Riaria (P. MK 2000 - M11) 2:17:02
16-Besa – Fidy Toyota (Celica Lotis - M11) 2 :53 :37
17-Carlo – Ando (P.106) 2:57:40

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT