Sport

Rallye Elf-Michelin Sedra manokana enina amin’ny sabotsy


  • Zoma 20 Mey 2016

Hampitorajofo an’ireo lalana manodidina ny RN2 sy RN3 ny sabotsy sy alahady izao ny “Rallye Elf-Michelin” izay dingana voalohany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara.

Sedra manokana valo no voalahatra mandritra ireo roa andro ireo izay mirefy 121,1km. Ekipazy 33 moa no hifaninana amin’io ka isan’ny hanamarika ity rallye ity ny fiarahan’i Davonjy sy Sandy mitondra Foton Tunland izay ekipazy fahatelo ao amin’ny sokajy fiara tsy mataho-dalana na T2 ary hifampitana amin-dry Freddy sy Yachine mitondra Isuzu D-Max sy ry Haja sy Carol manamory Great Wall Wingles. Ekipazy roa ihany kosa ary samy hampiasa Subaru Impreza no hifampitana ao amin’ny N4 dia i Ndrianja sy Fanja an-daniny ary i Yves sy Jackol an-kilany. Efa mihabetsaka ireo miady ao amin’ny M12 mahatratra 11 ahitana an-dry Gérard Louvel sy Teddy manamory Mitsu Evo VI. Fa ireo mpanamory Subaru Impreza no ankamaroany misy an-dry Tahina sy Baovola, Tahiana sy Tahiry, Boana sy Miangaly, Hanitra sy Kaliana, Pti Chinois sy Jimmy ary Radom sy Tahiry kosa hitondra ilay fiara Polo mahazatra azy. Tsy ho latsa-danja fa hafotaka koa ny ady any amin’ny M11 izay hisy mpifaninana 16 be izao. Anisan’ny tena hifampitana ao ry Lucas sy Loom mamily P306, Mathie sy Rata hanamory Golf, Tovonen sy Riaria hitondra Clio 16s ary i Guiguibone sy Nath hanamory P306. Sedra manokana enina no hatao rahampitso sabotsy ary roa kosa amin’ny alahady.


Ireo sedra manokana :

Sabotsy 21 mey

8:07 (ES1) Ankadindravololona (16,100km)

9:27 (ES2) Antanambao 1 (8,300km)

10:34 (ES3) Trano fotsy 1 (20,100km)

12:45 (ES4) Ankadindravololona (20,100km)

1:57 (ES5) Antanambao 2 (8,300km)

3:08 (ES6) Ambohitraina (16,100km)

Alahady 22 mey

8:41 (ES7) Xt palais Ambohitrabiby (8,300km)

9 :35 (ES8) Trano fotsy (23,800km)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT