Sport

Rallye Elf-Michelin Norombahan’i Guiguibone sy Nath


  • Alatsinainy 23 Mey 2016

Nahitana fahombiazana fiovana fiara tamin’ny fotoana farany. Norombahan’ny ekipazy Guiguibone avy amin’ny ASACM ny “Rallye Elf-Michelin” izay dingana voalohany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara natao ny faran’ny herinandro teo.

 Marihina fa voatery niova fiara andro vitsy talohan’ny fifaninanana ry Guiguibone izay tokony ho nanamory P306 saingy nihitsoka ny “boite” ka Mitsubishi Evo IX indray no nampiasain’izy ireo. “Sarotsarotra ihany ny hitazona izao vokatra izao satria hiverina amin’ilay P306 izahay amin’ireo dingana ambiny amin’ny fifaninanana nasionaly”, hoy i Guiguibone taorian’ity rallye voalohany ity. 1.40.03 no fotoana nahavitan’ity ekipazy ity ireo sedra manokana valo nirefy 121km voalahatra nandritra ny roa andro. Marihina fa sedra manokana enina tamin’ireo valo nifaninanana dia lasan-dry Guiguibone avokoa, ny fah-2 sy fah-7 ihany no votsotra. Tafiditra lah-2 ry Ndrianja sy Fanja nitondra Subaru Impreza sady voalohany amin’ny ekipazy lahy sy vavy miaraka (+02.38). Ity ekipazy ity no nahazo ny sedra manokana fah-2. Lah-3 i Freddy sy Yachine nanamory Isuzu D-Max izay voalohany ihany koa amin’ny sokajin’ny fiara tsy mataho-dalana na T2 (+07.55) ary nandrombaka ny sedra manokana fah-7. Fiara 14 tamin’ireo 33 nandray fiaingana ihany moa no tody hatramin’ny farany. Ny 18-20 jona indray ny “Rallye Asacm” dingana fah-2 manaraka.


Filaharana :

1-Guiguibone-Nath (Mitsubishi Evo IX) 1.40.03

2-Ndrianja-Fanja (Subaru Impreza) +02.38

3-Freddy-Yachine (Isuzu D Max) +07.55

4-Davonjy-Sandy (Foton Tunland) +08.01

5-Yves-Olivier (Subaru Impreza) +08.34

6-Mathieu-MD (Golf) +10.46

7-Tovonen-Riaria (Clio 16s) +11.57

8-Ferre-Jean Pierre (Mitsubishi Evo VI) +21.38

9-Ando-Sameer (Clio) +39.11

10-Dominique-Tahiry (VW Polo) +56.41

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT