Sport

Rallye du Boeny Tomorin’i Boom i Olivier


  • Sabotsy 29 Aogositra 2015

Mihezaka miaro ny anaramboninahitra eo am-pelatany ny ekipazy Boom sy Berthin mitondra Mitsubishi Evolution X. Tsiahivina fa nanao fahadisoana ity ekipazy ity tamin’ny andro voalohany ny alakamisy teo satria tafiditra telo minitra alohan’ny fotoana tokony nidirany hany ka niharan’ny sazy.

Nitarika mazava moa tamin’io andro voalohany io n y ekipazy Olivier sy Haingo manamory Subaru Impreza. Niezaka nanenjika tamin’ny andro faharoa omaly ry Boom ary tafakatra eo amin’ny laharana faharoa ihany. Taorian’ireo sedra manokana dimy efa vita hatramin’ny omaly aloha izany dia mbola mitarika ry Olivier nahavita fotoana 1.00.28. Manaraka azy eo amin’ny laharana faharoa kosa ry Boom izay tara 2’47. Ny ekipazy Ndrianja sy Fanja manamory fiara Subaru Impreza no manaraka lavitra eo amin’ny lah-3 tara 5’56 aorian’ny fiara voalohany. Lah-4 ankapobeny fa mitarika lah-1 voalohany vonjimaika amin’ny sokajy M12 kosa ny ekipazy Tahina sy Baovola izay manamory Subaru Impreza tara 10’52. Lah-5 ankapobeny fa voalohany vonjimaika amin’ny gropy M11 i Lova sy Lahatra mitondra P 306 (+13’51) ary lah-6 ankapobeny i Freddy sy Yachine izay manamory Isuzu D Max fa voalohany vonjimaika amin’ny gropy T2. Efa niala andaharana kosa ny ekipazy Rivo sy Ando mitondra Subaru Impreza saingy mbola afaka manohy amin’ny “Rallye 2” anio. Marihina tsy isan’ireo nandray fingana indray i Mathieu sy Tsiresy noho ny ny fahavoazan’ny “boite de vites’”-n’ilay Mitsubishi Evo IX entin’izy ireo. Fiara 15 sisa moa no tena hiafaninana anio ankoatra ireo dimy hiatrika ny “Rallye 2”. Mbola misy sedra manokana efatra moa voalahatra anio.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT