Sport

Rallye du Boeny Nosongonan’i Olivier i Boom


  • Alatsinainy 31 Aogositra 2015

Nalain’ny ekipazy Olivier-Haingo mitondra Subaru teo am-pelatanan’ny ekipazy Boom-Berthin ny anaramboninahitra amin’ny Rallye du Boeny. Ny alakamisy sy zoma ary sabotsy teo tany mahajanga no nanaovana ny andiany fah-11 sady dingana fah-4 amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara. 1.32.17 no fotoana nahavitan’i Olivier ireo sedra manokana valo voalahatra nandritra ny telo andro ary nirefy 122,900km.


“Tsara vintana izahay taorian’ny sazy nahazo an-dry Boom dia nandrindra ny tohin’ny fifaninanana sisa. Somary nanavao ihany aho tamin’ilay Subaru satria zatra 208 aho rehefa mifaninana any Frantsa … Tsy nanana olana tamin’ny fiara koa izahay satria nandamina fotsiny” araka ny fanazavan’i Olivier taorian’ny fifaninanana.  

Sendra mandalo an-tanindrazana fotsiny moa i Olivier ary iny ihany no fifaninanana atrehiny eto fa miomana hanohy hiatrika ny any ivelany indray izy raha maharaka ny hoenti-manana, hoy izy.

Tafiditra lah-2 ihany kosa ny ekipazy Boom-Berthin na dia teo aza ilay sazy 3 minitra azony tamin’ny andro voalohan’ny fifaninanana, tara 2’’37 taorian’i Olivier.

“Nahafinaritra fa tody soa aman-tsara ary tafiditra lah-2 ihany. Nanala sazy no nataonay nandritra ny fifaninanana. Na  izany izany aza nitsitsitsy fiara ihany. … Ny amortisseur aoriana havia no nipotsaka fa vita ara-potoana ihany. Efa nihasimba mantsy ireo lalana rehefa nivezivezena natetika”, hoy kosa i Boom.

“Tsy nifantoka loatra izahay ary takona ilay takelaka eo amin’ny fahatongavana, hany ka tafahoatra tafiditra telo minitra nialoha izahay”, hoy i Bethin nanavaza ny nahavoasazy azy ireo.

Tafiditra lah-3 ny ekipazy Ndrianja-Fanja manamory Subaru, +8.10 sady ekipazy lahy sy vavy miaraka voalohany ankapobeny. Lah-4 kosa i Rivo-Ando mitondra Subaru, +13.02 na dia efa niala an-daharana aza tamin’ny andro faharoa. Lah-5 ankapobeny, fah-2 amin’ny ekipazy lahy sy vavy miaraka ary voalohany amin’ny M12 kosa ny ekipazy mpivady, Tahina-Baovola manamory Subaru, +14.12. Tsy anisan’ireo nandray fiaingana mihitsy kosa i Mathieu noho ny tsy fahavononan’ny fiarany, Mitsubishi Evo IX. Fiara 16 tamin’ireo 18 nandray fiaingana moa no navavita ity fifaninanana ity hatramin’ny farany.


Sendra mandalo an-tanindrazana dia mba nandray anjara tonga dia nandresy i Olivier

Filaharana :

1-Olivier-Haingo (Subaru) 1.32.17

2-Boom-Berthin (Mitsubishi EvoX) +2.37

3-Ndrianja-Fanja (Subaru) +8.10

4-Rivo-Ando (Subaru) +13.02

5-Tahina-Baovola (Subaru) +14.12

6-Freddy-Yachine (Isuzu DMax) 19.22

7-Lova-Lahatra (P306) +19.47

8-Davonjy-Tsitohaina (P504) +22.38

9-Tovonen-Nirina (Clio 16s) +22.51

10-Gaston-Irina (P205) +25.09

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT