Sport

Rallye du Boeny Hanomboka anio alakamisy ny andiany faha-13


  • Alakamisy 23 Aogositra 2018

Taorian’ny Rallye Motul niatrehan’ireo mpifaninana ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara natao tamin’ny 25-26-27 mey 2018 sy ny Rallye Asacm natao tamini’ny 22-23-24 jona 2018

 

 nanatontosana ny dingana faharoa ary ny Rallye de Mangoro natao ny 20-21-22 jolay 2018 nanatrehana ny dingana faha-3 dia ny Rallye du Boeny andiany faha-13 ho tontosaina anio 23 sy rahampitso 24 ary rahafakampitso 25 aogositra indray no hiatrehan’ireo ekipazy miisa 30 ny dingana faha-4 amin’izany fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ity taranja Rallye ity.  242,17 km no halaviran-dalana hatrehan’ireo mpifaninanan mandritra an’ireo 3 andro ireo ka ny 123,01 km amin’izany dia dingana manokana avokoa, miisa 12. Eny amin’ny Lycée Agricole Belinta Mahajanga no toerana hiaingana. Hiavaka ny ekipazy TMF « Team Mika Faniry » Hery Be « Rasoamaromaka » mitondra ny Mitsubishi Lancer Evolution X N4 hiaraka amin’ny zanany lahy Faniry Rasoamaromaka.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT