Sport

Rallye du Boeny 2019 Norombahin’i Frédéric sy Andry Tahina ny Amboara


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2019

I Frédéric sy Andry Tahina nitondra Subaru Impreza n°7 (01 :22 :09,9) no nandrombaka ny amboaran’ny Rallye du Boeny 2019 andiany faha-14 nokarakarain’ny Team Mika Faniry tany Mahajanga ny 15,16 ary

 

 

17 aogositra teo ary dia izy ireo ihany koa, araka izany, no nahazo ny dingana faha-5 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2019 eo amin’ny fifaninanana rallye. Faharoa kosa i Sitraka sy Rado mbola nitondra Subaru Impreza n°6 (01:22 :44,5). Faha-3 i Hariandry sy Ny Anjara  mbola nitondra Subaru Impreza n°8  ihany koa (01:24:37,9). Tsy  tody hatramin’ny farany kosa ry Tahina Razafinjoelina nandrombaka ny Rallye du Boeny 2018 sy Rivo sy Ando mpifaninana mavitrika aminy izay samy nitondra Subaru Impreza avokoa. Tsy tafita koa i HeryBe sy Lala nitondra Mitsubishy Evo X n°4 fa fiara 18 ihany no tody hatramin’ny farany.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT