Sport

Rallye du Boeny 2019 Hahatratra 236,92 km no hodiavin’ireo mpifaninana


  • Talata 13 Aogositra 2019

Hotontosaina any Mahajanga amin’ny 15,16 ary 17 aogositra izao ny “rallye vacances” na Ralllye du Boeny 2019 andiany faha-14 sady andiany faha-5 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2019 karakarain’ny Club TMF RALLYE eo ambany fanotronan’ny FSAM.

 

 

 

Halaviran-dalana mirefy 236,92 km no  hifaninanan’ireo mpandray anjara amin’izany ka ny 124,51 km amin’io dia dingana manokana avokoa izay hahatratra 15 isa be izao ary ny 112,41 km kosa dia ilay antsoina hoe “liaison”. Hisy ny dingana “super-spéciales” 2 dia izay ho hita ao Ampitolova amin’ny ES3  mirefy 2km amin’ny alakamisy 15 aogositra izao ny voalohany ary ny 6,5km hafa hatrehana amin’ny ES6 amin’ny zoma sy ny ES13 hotontosaina amin’ny sabotsy 17 aogositra 2019 any Belinta.

Efa any an-toerana nanomboka tamin’ny faran’ny  herinandro lasa teo ny mpikarakara an’ity rallye ity tarihan’ny filohany Rakotomalala Feno sy ny mpanorina ny Club Tmf rallye, Hery Rasoamaromaka. Fantatra fa ao amin’ny Karon-Sômabeach no misy ny PC amin’ity rallye du Boeny 2019 ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT