Fantatra izao fa mahatratra 30 ireo ekipazy handray fiaingana ao amin’ny PC Karon-Sômabeach Mahajanga rahampitso alakamisy 15 aogositra 2019.
I Ranto Harinaivo no hiaraka amin’i Tahina Razafinjoelina izay nandrombaka an’ity rallye du Boeny ity tamin’ny taon-dasa raha niaraka tamin-dRtoa Baovola vadiny izy tamin’izany. Ny fiara Subaru Impreza Vidy Varotra n°1 ao amin’ny “Classe M12” no hoentin’izy ireo. Tazana ao anaty lisitra daholo ireo kalaza toa an-dry Nirina sy Alcazaria Jr (Peugeot 206 n°17), ry Teddy sy Herman (Ford Ranger n°13), ry Hery Be sy Lala (Mitsibishi Evo X n°4), Rivo sy Ando (Subaru Impreza n°2), Haja Danielson sy Rivo (Ssangyong Musso n°69), Tanjona sy Patblock (Subaru Impreza n°65), Davonjy sy Tsilavo (Foton Tunlands n°12), L’Africain Blanc sy Eric (Subaru Impreza n°15), sns…
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.