Sport

Rallye de Mangoro andiany faha-2 Norombahin’i Tahina sy Ranto nitondra Subaru Impreza


  • Alatsinainy 15 Jolay 2019

Tontosa tany Moramanga tamin’ny 11 sy 12 ary 13 jolay lasa teo ny andiany faha-2 tamin’ny Rallye de Mangoro andiany faharoa nokarakarain’ny Tasamm « Tanjaky ny Sparo Automoto Malagasy »

 

 

 

 niaraka tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ny orinasa Fanalamanga sy ny  Fsam « Fédération du Sport Automobile de Madagascar » amin’ny maha-dingana faha-4 ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2019 eo amin’ity fifaninanana fanamoriana fiakarakodia ity. Raha ny vokatra vonjimaika azo eto am-pelatanana dia norombahin’i Tahina Razafinjoelina sy i Ranto Harinaivo Ramarokoto nitondra ny fiara Subaru Impreza (Vidy Varotra) n° 1 Classe M 12 nahavita ny halaviran-dalana nirefy 404,83 km sy ny dingana manokana niisa 11 nirefy 541,72 km tao anatin’ny fe-potoana 01.31.55.6. Faharoa nanaraka azy ireo tao i Rivo sy Ando Randrianirovony nitondra Subaru Impreza ihany koa n°2 Classe N 4 nahavita 01.12.18.1. Faha-3 i Sitraka sy Rado Rakotomalala (Motul Sg Motors) mbola nitondra Subaru Impreza n°6, classe N 4 nahavita  01.32.37.3.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT