Sport

Rallye de Mangoro 2018 Ny fiara Karenjy Mazana II no laharana « 00 »


  • Zoma 20 Jolay 2018

Handray anjara amin’ny rallye de Mangoro 2018 karakarain’ny Tasamm ho tontosaina ao Moramanga anio zoma 20 sy rahampitso sabotsy 21 ary ny alahady 22 jolay 2018 izao ny fiara pick-up Mazana II vokarin’ny orinasa Malagasy Karenjy ka hitondra ny laharana « 00 »

izy amin’izany ary hoentin’i mino Andriamaromizah sy Ny Hasina Radison ka hiala 20 minitra mialohan’ny hiaingan’ny fiara voalohany amin’ireo 29 nisoratra anarana handray anjara hatramin’ny omaly alakamisy 19 jolay 2018 hariva. Raha ny marina, hoy ny filohan’ny Fmmsam, Jimmy Rakotofiringa, dia “voiture de sécurité” miainga aorian’ny “voiture d’ouverture” amin’ity rallye ity izy ka mpanamarina farany ny maha-ara-dalàna ny lalan-kizoran’ireo mpifaninana. Nambaran’Atoa Henri Roussel tompon’andraikitry fampiroboroboana ny Karenjy eto amintsika fa tsy nisy fanovana natao mihitsy na kely aza tamin’ity fiara Mazana II ity. Tsara ny manamarika fa bebe ihany ireo anarana kalaza amin’ity fifaninana ity no tsy tazana ao anaty lisitr’ireo handray anjara amin’ity dingana faha-3 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity toa an’i Louvel, Hugo, Rahamefy, Teddy, Haja Danielson, Ndrianja, Fanja, Baovola, Hery Be, sns…

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT