Sport

Rallye Dakar andiany faha-41 Hanomboka any Pérou rahampitso alahady


  • Sabotsy 05 Janoary 2019

Sambany amin’ity taona 2019 ity hotontosaina any amin’ny firenena tokana dia any Pérou ny fifaninanana Rallye Dakar izay hotontosaina ny 6-17 janoary 2019.

 

 

Noho ny politikan’ny fitsitsiana hampiharina any Amerika Atsimo mantsy dia niala an-daharana ny firenena toa an’i Argentine, Chili, Paraguay ary Bolivie tokony handalovan’izany rallye izany. Efa fantatra tamin’ny fampahafantarana an’ity fifaninanana ity nataon’ireo mpikarakara  tany Frantsa tamin’ny 27 novambra 2018 fa mirefy 5.000 km ahitana dingana 10 ny lalana hodiavina amin’ity andiany faha-41  amin’ny Rallye Dakar ity ka ny 3.000 km dia dingana manokana avokoa ary lalam-pasika avokoa ny 70 %. Fiara miisa 105, moto 149,  quad 29, SxS 34 ary kamiao 41 no handray anjara amin’ny fifaninanana ka tafiditra ao ireo kalaza toa an-dry Loeb, Peterhansel, Sainz, Al-Attiyah ary Van Beveren. Hotontosaina any Lima  > Pisco, 331 km (84 km Dingana manokana) amin’ny alatsinainy 7 janoary 2019 ny dingana 1 amin’ity fifaninanana ity ary mbola any Pisco > Lima, 358 km (112 km dingana manokana) koa ny alakamisy 17 janoary 2019 no hanatanterahana ny dingana faha-10 farany.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT