Sport

Rallye Dakar 2019 Lucas Barron “Trisomie” voalohany handray anjara


  • Alatsinainy 07 Janoary 2019

Hanamarika ny tantaran’ny Rallye Dakar hatramin’izay namoronan’i Thierry Sabine azy tamin'ny taona 1978 ny handraisan’ilay teratany Peroviana,

 

 

 

 Lucas Barron 25 taona izay tratran’ny aretina Syndrome de Down “Trisomie”, amin’ity andiany faha-41 hotontosaina manontolo any Péru nanomoboka omaly 6 janoary. Ho mpanamory mpanampy ny rainy, Jacques Barron,  i Lucas mandritra an’ity Rallye ity. Efa nandalo fizahana ara-pahasalamana takiana amin’ny fisoratana anarana amin’ny fandraisana anjara amin’ny rallye Dakar izy ary efa manana  ny “licence de la fédération international de l’automobile” ihany koa. Efa am-bolana maro no nanomanan’ny ekipazy Jacques sy  Lucas Barron an’ity fifaninanana ity. Efa nandray anjara tamin’ny fifaninanana Dakar Series fanomanana ny  Dakar teny izy ireo tamin’ny septambra 2018. Ny tanjonay, hoy i Jacques Barron, dia ny hanezaka hatramin’ny farany ka ho tody hanitsaka ny tsipika fahatongavana amin’ity rallye ity.  Omaly alahady 6 janoary 2019 dia nandalo teo amin’ny “podium” fiaingana tahaka ireo mpifaninana rehetra izy mianaka mialoha ny tena hiatrehana ny dingana voalohany amin’ny fifaninanana anio alatsinainy 7 janoary 2019 Lima  > Pisco, 331 km izay hisian’ny dingana manokana mahatratra 84 km.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT